Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vola sandoka tratra tany Mahajanga : olona sivy natolotra ny fampanoavana

    Vola sandoka tratra tany Mahajanga : olona sivy natolotra ny fampanoavana

     Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona sivy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fanamboarana vola sandoka tratra tany Mahajanga, ny talata teo…

     

    « Olona anatina tambajotra goavana mihitsy ireto mpanao vola sandoka ireto. Misy mpanamboatra, misy kosa ireo mpanaparitaka izany toy ity nokasaina hatao tany Mahajanga ity », hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena, ny kaomisera Rakotondrasoa Jean de Matha, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, raha nampiseho ireto vola sandoka tratra ireto. Nanamafy hatrany ny polisy fa niainga tamin’ny fahatrarana olona telo tany Mahajanga no nahafahan’ny polisy misahana ny heloka bevava Anosy nanatanteraka ny fisamborana ireo olona sasany teny Ambohipo. Nilaza rahateo ireo olona tratra (vehivavy roa sy lehilahy iray) fa eny Ambohipo sy Androndra no misy ireo mpanamboatra miaraka amin’ny fitaovana fa mpanaparitaka fotsiny ireo olona tratra tao Mahajanga.

    Nandray an-tanana ity raharaha ity avy hatrany ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra ka nanao ny vela-pandrika rehetra. Hita tao an-toerana tokoa, ny talata teo, ireo olona enina niaraka tamin’ny fitaovana toy ny ordinatera sy ireo kojakoja maro samihafa mifandraika amin’ny fanamboarana ireto vola sandoka ireto.

    Samy niaiky ny heloka vitany ireto voarohirohy ireto nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Toy ny vola tena izy raha tazanina tampoka ireto vola sandoka tratran’ny polisy ireto.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.