Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambasadaoro frantsay : « Tokony hitsahatra ny kidnapping… »

    Ambasadaoro frantsay  : « Tokony hitsahatra ny kidnapping… »

    Mazava ny nambaran’ny ambasadaoro frantsay, Vouland-Aneini, raha noraisin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana teny Mahazoarivo, omaly. « Tsy tokony hiseho intsony ny fakana an-keriny teratany vahiny na Frantsay… », hoy izy. Notsiahiviny fa manana zo harovana izy ireny, indrindra ny eo anivon’ny konsily. Na izany aza, nambarany fa efa mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanamafisana ny fametrahana filaminana sy fandriampahalemana izy ireo.

    Tsy vitan’izany. Manampy antsika amin’ny alalan’ireo manampahaizana frantsay miasa eny anivon’ny minisitera i Frantsa, miainga amin’ny AFD raha ny lafiny ara-toekarena. Nampitombo ny vola fanampiany antsika avo roa heny izy ireo amin’izany. Eo koa ireo mpandraharaha avy any amin-dry zareo liana te hampiasa vola eto.

    Manampy ireo ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo lafiny fitsarana sy ny fampianarana ambony.

    Tsiahivina fa efa nihaona ny roa tonta fony minisitry ny Atitany ny praiminisitra.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.