Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Andavamamba : tratra tao ambany gorodona ny basy kilalao fampiasan’ireo jiolahy

    Andavamamba  : tratra tao ambany gorodona ny basy kilalao fampiasan’ireo jiolahy

     Basy kilalao no entin-dRadadatoa sy ny namany manendaka sady mampihorohoro eny Isotry sy ny manodidina. Ny alakamisy 21 avrily 2016 teo izy roa lahy no tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahefatra tao an-tranony eny Andavamamba niaraka tamin’ilay basy kilalao. Araka ny fanazavan’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo, fa misy lehilahy iray mitazona basy ao an-tranony ao Andavamamba. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka tratra tao an-toerana tokoa izy roa lahy voarohirohy. Nafenina tao ambany gorodona ilay basy kilalao. Nilaza izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa nosoloiny vy ny lohan’ilay basy kilalao amin’izay mangatsiaka be rehefa atohoka eo amin’ny tenda ka toy ny basina mpitandro filaminana mihitsy. Nilaza koa izy ireo fa mbola manana akanjo sy casquette toy ny an’ny mpitandro filaminana izay misy soratra « gendarmerie ». Ireto akanjo ireto no fitondran’izy roa lahy rehefa hanao ny asa ratsiny.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.