Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fitateram-bahoaka : tsy voahaja ny zon’ireo sembana

     Sahirana ny olona sembana any amin’ny fitateram-bahoaka. Noho izay antony izay, nanokana tetikasa ny ONG Lalana sy ny Vondrona eoropeanina, Lalanjotra Miaty ny Namana (Lamina), miady ny tombontsoan’ireo sembana hitovy zo amin’ny rehetra any amin’ny fitateram-bahoaka. Tetikasa Lamina, roa taona, hoentina hanentanana ireo mpitatitra rehetra eto Antananarivo, miaraka amin’ny tompon’andraikim-panjakana, ATT, kaominina, polisy sy ny olona rehetra, hijery akaiky ny fomba fiasan’ireo kaoperativa mpitatitra ho an’ireny sembana ireny. Tanjona ny hanamora ny fahazoan’ireny olona ireny mampiasa fiara fitaterana toy ny hafa, tsy hasiana fanavakavahana.

    Misy mihitsy ireo taxi-be tsy mandray ireny olona sembana ara-batana ireny na tafiditra ao anatin’ny fiara aza, tsy misy toerana voatokana ho azy ireo, tsy miandry fotoana fahafahan’izy ireo miakatra na midina ny mpitatitra sasany. Ireo jamba indray, matetika tsy ampahafantarina izay toerana tokony hialany; ny marenina, sahirana; sembana ara-tsaina, indrindra ny ankizy, vesatra ho an’ny ray aman-dreniny eo amin’ny saran-dalana. Tsy voahaja ny zon’ireo sembana.

    Tsy mahazo fahazoan-dalana

    Mandoa saran-dalana toy ny rehetra ireny olona ireny, nefa tsy misy fiahiana azy ireo manokana ataon’ireo kaoperativa maro eto an-dRenivohitra. Ny fanjakana, tsy manampy ny mpitatitra hanamora ny fitaterana azy ireny, ny tompon’ny fiara tsy te hamoaka vola hanamboatra toerana manokana ho azy ireny. Olana iray hafa ho an’ireo marenina, tsy ankatoavin’ny fanjakana ny fanomezana ho azy ireo fahazoan-dalana mitondra fiara na môto, nefa raisin’ireo auto-école mialoha.

    Sahirana izany ireo sembana eto amintsika, raha miditra amin’ireny fitateram-bahoaka ireny. Tsy misy ny fanajana ny zon’izy ireo. Koa anisan’ny iarahan’ny ONG Lalana sy ny Vondrona eoropeanina amin’ity tetikasa Lamina ity, ny fanomezana fiofanana ireo sembana, fiaraha-midinika amin’ny fanjakana sy ny mpitatitra, fanentanana ny olon-drehetra hanampy azy ireny. Koa tokony ho hita ao anatin’ny bokin’andraikitra izany ny fanajan’ny mpitatitra azy ireo.

    R.Mathieu

     

    Les commentaires sont fermées.