Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haltérophilie – Afrique 2016 : atleta fito mianadahy mandrafitra ny ekipa nasionaly

    Haltérophilie – Afrique 2016  : atleta fito mianadahy mandrafitra ny ekipa nasionaly

    Mihamafy ny fanazarantenan’ireo atleta mandrafitra ny ekipam-pirenena eo amin’ny fibatana fonjamby hanafika any Kameronina. Dimy volana teo ho eo izy ireo no efa nanaraka fampivondronana.

    Vonona. Efa nanaraka fampivondronana sy fanazarantena miaraka nandritra ny dimy volana ny ekipa nasionaly hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, sokajy “seniors” lahy sy vavy. Fifaninanana hotanterahina any Yaoundé, Kameronina, ny 5 – 15 mey izao.

    Araka izany, atleta fito mianadahy no mandrafitra ny ekipa nasionaly ka ny dimy amin’izy ireo eo amin’ny sokajy vehivavy avokoa ary ny roa ambiny eo amin’ny sokajy lehilahy. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny fibatana fonjamby (FMHMC), Randriamanarivo Harinelina, fa tsy vitan’ny hiady medaly fotsiny no handraisantsika anjara sy handefasana atleta maromaro fa mitady fisokajiana Olympika ihany koa izy ireo. Voalaza mantsy fa sady fisokajiana Olympika afrikanina ho amin’ny “Lalao Olympika 2016” (J.O) any Rio, Brezila, ny volana aogositra izao, ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika 2016 ity.

    Ankoatra izay, nambaran’ny filohan’ny FMHMC fa ny 5 mey izao mihitsy vao manainga hihazo an’i Kameronina ny delegasiona malagasy. Mialoha izay anefa, mitohy hatrany ny fanazarantenan’ireo atleta mandrafitra ny ekipa nasionaly ary efa manomboka miditra amin’ny teknika kokoa izany, amin’izao fotoana izao, rehefa nandalo sendra maro toy ny tanjaka ara-batana izy ireo.

    M.N.

    Sary Haltéro

    Lég: Anisan’ireo taranja hananan’ny Malagasy herijika ny fibatana fonjamby.

    ENCDRE (tramé zfd ô)

    Ny ekipa nasionaly

    Vavy:

    • Randafiarisoa Rosina (48 kg)
    • Ratsiravolatiana Malalaniaina (53 kg)
    • Randrianandrasana Sitraka (58 kg)
    • Ravololoniaina Vania (63 kg)
    • Andrianasolo Mendrikaja (69 kg)

    Lahy:

    • Andriatsitohaina Eric Herman (56 kg)
    • Andriatsitohaina Alain Tojonirina (62 kg)

    Les commentaires sont fermées.