Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mpivarotra lamaody amin’ny « facebook » : hivondrona etsy Antaninarenina

    Mpivarotra lamaody amin’ny « facebook »  : hivondrona etsy Antaninarenina

    Efa be mpanao eto Madagasikara ny varotra amin’ny alalan’ny “facebook”. Tsy manam-potoana handehanana miantsena ihany koa ny ankamaroan’ireo vehivavy miasa ka mety amin’izy ireo ny miantsena avy hatrany amin’ireny tambazotran-tserasera ireny.

    Efa ampolony ireo mpivarotra lamaody ranofotsiny fantatry ny rehetra miantsehatra ao anaty facebook, raha ny eto Madagasikara. Nanapa-kevitra ny hivondrona ao anatin’ny roa andro izy ireo haneho ny vokatra etsy amin’ny Tana Hotel Antaninarenina ny 28 sy 29 avrily izao.

    Karazan-damaody ranoray ho an’ny lahy sy ny vavy ary ny ankizy no entin’izy ireo eny. Hifanindran-dalana amin’izany ny fanatsarana ny endrika amam-bika hampiasana ireo kojakoja amidin’izy ireo any amin’ny “facebook” hatrany.

    “Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy lamaody, hoy ny mpikarakara Razafindrabesa Tatiana Cordelier”. “Betsaka ny Malagasy manara-damaody na lahy na vavy ka ho azy ireo indrindra ny hetsika”, hoy hatrany ny fanazavana.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.