Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy nipoitra ireo mpivarotra… : notomerin’ny Emmo/Reg ny hetsiky ny mpiasan’ny Air Mad

     Tsy nipoitra nanao hetsika, araka ny nandrangarangan’ny mpitarika azy, ireo mpivarotra nilaza fa hitaky ny hamoahana ny naman’izy ireo nohazonin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy mazava ny antony.

    Efa niatrana vao maraina teny amin’ny tsangambaton-dRalaimongo ny mpitandro filaminana, miaraka amin’ny kamiao sy fiara 4×4. Nigadona teo amin’ny arcade, misy ny foiben-toeran’ny Air Madagascar, kosa ny mpitarika ny sendikàn’ny mpiasa amin’ity kaompania ity, Rabarilala Rado, niaraka amin’ny namany vitsivitsy, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nanotrona azy ny mpisolovava, ny Me Olalah. Nikisaka nanatona, tsy lavitra azy ireo, ny sasany amin’ny Emmo/Reg ary niatrana teo. Nanazava ny anton’ny hetsika ity mpisolovava ity, nandritra izany ka nitakiany ny hampiharana ny didim-pitsarana, hamerenana ireo mpitarika sendikà ireo amin’ny asany eo anivon’ny Air Madagascar. Eo koa ny tombontsoa samihafa tokony ho azon’izy ireo.

    Nialoha ireo, nifampihantsy am-bava samy ho tsy mifampatahotra ny tale jeneralin’ity orinasa ity sy ny mpitarika sendikà. Nirava ny hetsika rehefa tamin’ny 1 ora.

    Nizotra am-pilaminana ny fifamoivoizana nandritra izany rehetra izany. Nivoha avokoa ireo toeram-pivarotana manodidina ny arcade sy ny tsangambaton-dRalaimongo.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.