Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Androhibe Vita ny tranoben’ny Les Orchidées Blanches

    Notokanana, omaly ,ny tranobe vaovaon’ny Les Orchidées Blanches etsy Androhibe. Avy amin’ny Principauté de Monaco no nahafahana nanao ny asa fanamboarana rehetra izay nitentina 425.063 euro.

    Raitra ny taotrano, ahitana rihana roa manara-penitra. Hatao hampidi-bola ho an’ity foibe fitaizana zaza sembana ara-tsaina ity io fotodrafitrasa io. Hampanofaina amin’ny mpivarotra ny farany ambany ary azon’ny olona ambony hofaina hatao trano fonenana ny rihana roa ambony.

    Tapaka teo amin’ny fivoriamben’ny ray aman-dreny fa trano lehibe manara-penitra no hatsangana ka ahofa hatao ho fidiram-bolan’ny foibem-pitaizana. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ireo ankizy sembana ara-tsaina beazina ao.

    Mitentina hatrany amin’ny 11 tapitrisa Ar isam-bolana ny vola mampihodina ity toeram-panabeazana ny ankizy sembana ara-tsaina ity. Matetika mivoaka manao fitsidihana orinasa na toerana mahaliana ny ankizy ao an-toerana mba hampivelatra ny sainy.

    120 ny mpianatra ka ao ireo mianatra isan’andro, ao ireo mianatra indroa isan-kerinandro ary ny sasany ampianarina any an-trano mihitsy arakaraka ny fahavoazan’ilay ankizy.

    20 kosa ny mpampianatra, 7 ny mpandraharaha ary 11 ireo miandraikitra ny fikarakarana ny toeram-pampianarana.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.