Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Indray mijery

    Herinandro izay no niditra tamin’ny fialan-tsasatra lehibe ny ankizy madinika. Efa totoafo sahady ny dokambarotra ho an’ny karazan-tsekoly vaovao misokatra etsy sy eroa. Toraka izany ny doka ho an’ny karazana fitaovam-pianarana. Betsaka ireo sekoly mametraka mazava ny kalitaon’ny fitaovana ampiasain’ny mpianatra ao aminy ary sarotiny amin’izany mihitsy. Efa misokatra sahady ihany koa ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra amin’ireny sekoly tsy miankina ireny eto Antananarivo. Miferinaina sahady ny ray aman-dreny amin’ny fitaovam-pianarana sy ny vola tsy maintsy aloa.

    Fahirano ny mponina ao Ivato. Novakin’ireo Sinoa mpanao lalana ny fantson-drano mankao an-tanàna ka eo izy ireo no maka rano ampiasaina. Tapaka tanteraka, araka izany, ny rano mamatsy ny ampahan-tanàna ao Ivato. Velon-taraina ny mponina. Manjakazaka etsy sy eroa ny Sinoa. Efa an-taona maro ihany koa, tsy manan-drano fisotro madio ny CSBII ao Ivato sy ny mponina manodidina azy. Tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ny Jirama. Voatery mantsaka mividy rano lafobe ireo mponina.

    Les commentaires sont fermées.