Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tennis – «Coupe Davis 2016» : nankasitraka ny ekipa malagasy ny filoha

    Noho ny vokatra tsara azon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny tenisy ka nahatafakatra an’i Madagasikara, ao anaty sokajy faharoa, amin’ny «Coupe Davis», nomen’ny filoham-pirenena malagasy, lelavola 6 tapitrisa Ar, izy ireo. Ankoatra izay, mbola nomena taratasy fankasitrahana ihany koa ny ekipa. Rajaobelina Rija, kapitenin’ny ekipa no nandray izany, omaly, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Nisaotra ny filoha, ny minisitry ny Fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean Anicet, tamin’ny fanohanana sy fanampiana, indrindra teo amin’ny fanamboarana ny fotodrafitrasa , ka nahazoana ity fahombiazana ity. Tanjona ho an’i Madagasikara, hoy kosa ny filohan’ny federasiona, ny hijanonana ao anaty sokajy faharoa, izay iarahana amin’i Eoropa, amin’ny taona ho avy. Mbola hiezaka ny federasiona hitily mpilalao mpila ravinahitra hafa ankoatra ireto efa nantsoina. Farany, nisaotra ny zava-bitan’ny ekipa ny filoham-pirenena ary mbola nanamafy fa hanampy araka izay azo atao, ho an’ny fanatanjahantena sy ny atleta malagasy.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.