Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Jiolahy miisa valo nitondra basim-borona efatra nanapoaka basy sy nanafika, tao amin’ny trano iray tany Anjoma Ramartina, ny alarobia teo, tamin’ny 1 ora maraina. Vola mitentina 1.700.000 Ariary sy entam-barotra maromaro no lasan’ireo dahalo. Fotoana fohy taorian’io, nisy olona enina saika hividy solika ka notofirin’ireo jiolahy avy hatrany fa heveriny ho ireo mpanenjika. Naratra vokatr’izany ny olona efatra tamin’izy ireo. Tsy nisy tratra ireo jiolahy ary nalefa notsaboina ny naratra.

     Jiolahy miisa 10 no nanafika tokantrano roa samy hafa ka samy naratra vokatry ny tora-bato sy veli-kobay ireo olona roa tompontrano, tany Ambakanirana Soavinandriana, ny talata tamin’ny 9 ora alina. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola mitentina 3.750.000 Ar sy entana maromaro. Nalefa notsaboina ireo naratra ary nanao ny fanadihadiana ny zandary ao Mahavelona .

    Les commentaires sont fermées.