Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Handball – CJSOI : mpilalao 17 mandrafitra ny ekipa nasionaly

    Handball – CJSOI : mpilalao 17 mandrafitra ny ekipa nasionaly

    Raikitra. Mpilalao 17 no voantso handrafitra ny ekipa nasionaly eo amin’ny taranja handball hiatrika ny « Jeux de la Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien » (CJSOI) andiany faha-10. Araka ny efa fantatra, hetsika iraisam-pirenena hampiantranoan’i Madagasikara, ny 31 jolay – 5 aogositra izao. Fifaninanana natokana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 17 taona ny CJSOI.

    Araka izany, saika efa manomantena avokoa ireo mpilalao mandrafitra ireo ekipa nasionaly amin’ireo taranjam-pifaninanana dimy (judo, atletisma, handball, tenisy ambony latabatra, foot à 7 vehivavy).

    Ho an’ny handball manokana, manaraka fanazarantena isan’andro etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny ekipa nasionaly. Mifototra amin’ny teknikam-panafihana sy fiarovantena ny fanazarantenan’ireo mpilalao 17 mandrafitra ny ekipam-pirenena.

    Ankoatra izay, mpanohana ôfisialy ny CJSOI andiany faha-10 sady mpanohana ireo ekipa nasionaly ny orinasa Telma.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.