Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Manakambahiny : tranobe iray nirehitra vokatry ny fipoahana

    Manakambahiny : tranobe iray nirehitra vokatry ny fipoahana

    Nirehitra ny tranobe iray teny Manakambahiny. May kila ny entana tsy tafavoaka tamin’izany. Mba tsy nisy ny olona naratra na aina nafoy tamin’ity.

    Tranobe iray misy rihana nirehitra tampoka teny Manakambahiny omaly tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro. Voalaza fa tao ambony rihana, tamina efitrano tsy nisy olona niantombohan’ny afo. Niitatra tamin’ny rihana tao ambony ny firehetana tao anatin’ny fotoana fohy. Nantsoina ny mpamonjy voina, efa antsasan’adiny taty aoriana vao tonga. Talohan’izany, niezaka namono ny afo sy namoaka ny entana tao an-trano izay tratra ny fokonolona sy ny tompon-trano. Sahirana ireo mpanavotra satria niredareda be ny afo. May kila izay entana tsy tafavoaka tamin’izany. Soa ihany fa tsy nisy ny olona naratra tamin’ity loza ity.

    Tonga ihany ny mpamonjy voina, ary nandany teo amin’ny adiny iray teo vao maty tanteraka ny afo. Nilaza ireto farany fa tsy mbola fantatra mazava ny tena anton’ny firehetana. Ny olona “sasany teny an-toerana kosa nilaza fa vokatry ny fipoahana zavatra, mety ho “gaz” ny nahatonga izany. Tao kosa anefa, niteny fa fipoahana herinaratra io. Ny tohin’ny famotorana no hamaritra ny tena antony nahatonga ny loza. Raha ny fanazavana ihany, anisan’ny mampanano sarotra ny asa famonoana afo eto amintsika ny fotodrafitrasa. Tsy misy manana izany izay trano miorina amin’izao, fa any amin’ny fanamafisana ny hidin-trano matetika. Na ny fanjakana ihany koa aza tsy manaraka izany fepetra iadiana amin’ny haintrano izany. Tsy mahagaga rehefa misy ny haintrano, kila forehitra avokoa izay sendra izany.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.