Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambatondrazaka : voavaha ny olana momba ny karaman’ny quartier mobile

    Ambatondrazaka : voavaha ny olana momba ny karaman’ny quartier mobile

    Eo am-pametrahana ny “Dinan’Alaotra” ny any amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka, Amparafaravola ary ny tapany atsimon’i Tsaratanàna. Azo lazaina ho latsadatsaky ny faheno any an-toeran-kafa ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny vondron-toby iandraiketan’ny kapiteny Ramboasalama Bruno, saingy tato ato mila hiova izany satria nanjary misy hatramin’ny halatra lakolosim-piangonana. Antony namohazan’ity manamboninahitry ny Zandarimaria ity ireo quartiers mobiles izany,  fotoana vitsy lasa izay. Fa antony ihany koa nitarihan’ny Solombavambahoaka Aurélie hananganana dina ihany koa.   Natomboka ny 21 jolay teo, tao Vohidiala-Gara (MLA) àry  ny fandraisana ireo soso-kevitra handrafetana io dina io. Haravona miaraka amin’ireo soso-kevitra hatrany Tsaratanàna ireo ho lasa Dinan’Alaotra iombonana.

    Fonjan-kevitra nivoitra hatreto, ny hanomezana anjara asa eo amin’ny fampiharana ny Dina sy anjara vola azo avy amin’ny “voan’ny Dina”  avy any ifotony. Avy amin’izay no hanomezana tambin-karaman’ ireo quartiers mobiles, izay somary nanahiran-tsaina ny fomba ahitàna vola handoavana io. “Ny soa fianatra…”                                                  Rarivo

    Les commentaires sont fermées.