Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    R.Jean Nirina : ny famoronana no tsy ampy amin’ny Malagasy

    R.Jean Nirina : ny famoronana no tsy ampy amin’ny Malagasy

    Firenena iaraha-manana ity firenena ity. Hanangana firenena matanjaka isika ary tsy amin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana velively anefa izany fa ny fandraisana andraikitry ny tsirairay. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny fanjakana ny vahoaka raha te handroso. Ny famoronana no tsy ampy amin’ny Malagasy, indrindra eo amin’ny lafiny fihariana”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny lanonana fankalazana ny faharoa taona nisian’ny Hafari Malagasy, sampana Antsirabe, ny asabotsy teo tany Antsoantany Antsirabe. Nohamafisiny fa ho sahirana hatrany ny vahoaka malagasy raha mbola misy ny fanonganam-panjakana. Ilaina ny mpanohitra fa amin’ny ara-drariny satria olana goavana eto amintsika rehefa misy fihariana dia misy hatrany ny mpanohatra izany, raha ny nambarany. Mitohy hatrany, araka izany, ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe manerana ny faritra misy ny tetikasa eo ambany fiahian’ny Hafari Malagasy. “Porofo goavana fa misy ny tetikasa ary tsy mijanona izany fa miroso hatrany. Tsy tokony ho amin’ny fifanomezan-tsiny intsony izao ny resaka fa ny fifanomezan-tanana eo amin’ny lafiny fitsinjovana manokana ny sosialim-bahoaka”, hoy hatrany izy.

    Tetikasa manaraka ny hanangana sekoly EPP sy fiangonana FJKM eny Soaniadanana. Nisitraka ny ezaka vita sy hisian’ny fiaraha-miasa hatrany kosa ny ben’ny Tanàn’Antsoantany, Ramanantenasoa Nalitiana. Tonga nanome voninahitra ny lanonana tany an-toerana ireo olom-panjakana notarihin’ny solontenan’ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra sy ireo mpiara-miasa aminy.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.