Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tenisy – Rotarian Classic Open : lasan’i Zaka Kely sy Vahatra ny fandresena

    Tenisy – Rotarian Classic Open : lasan’i Zaka Kely sy Vahatra ny fandresena

    Tontosa, ny asabotsy sy omaly alahady, teny amin’ny kianja Country Club Ilafy, ny andiany voalohany amin’ny “Rotarian Classic Open”, taranja tenisy. Fihaonana ho an’olon-droa. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny lehilahy ny ekipa nisy an-dRakotohasy Jean-Jacques (Zaka Kely) sy Rabeharisoa Vatra. Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana ny ekipan’i Mbolanirina.

    Ravoniandro Fitia sy Randriamifidimanana Fitia kosa ny teo amin’ny vehivavy, izay nanilika an-dRamanitrarivo Rosea sy Boyaval Véronique . Marihina fa nahatratra 12 ny isan’ny ekipa teo amin’ny sokajy lehilahy ary 4 ny teo amin’ny vehivavy. 15 mn indroa miditra ny faharetan’ny fihaonana, ary nisy ny fihodinana voalohany sy faharoa. Nahafinaritra ny fihaonana satria nahitana teknika sy taktika nahaliana teo amin’ireo mpifanandrina.

    Tsiahivina fa hetsika nataon’ny Rotary Club hitadiavam-bola ity “Rotarian Classic Open” ity, entin’izy ireo mampandroso ny asa fanasoavana, amin’ny maha olona sy ny ara-tsosialy, efa fanaon’izy ireo.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.