Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fampananan’asa : napetraka ny tetikasa Pacer

    Fampananan’asa : napetraka ny tetikasa Pacer

    Hijerena manokana ny famoronan’asa ho an’ny tanora sy ny fandrindrana ny tolotr’asa ny tetikasa Pacer. Hahazo tombony amin’izany ireo tanora nahavita fianarana amin’ny sekoly ambony.

    Nampahafantarina omaly tetsy Antaninarenina ny tetikasa Pacer izay iarahan’ny BIT amin’ny sehatra tsy miankina ary ny minisiteran’ny fampianarana ambony hanamorana ny fampananan’asa ireo tanora mivoaka amin’ny sekoly fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

    Hojerena manokana ireto tanora nahavita fianarana mba hahazo asa mifanaraka amin’ny diplaoma ananany. Betsaka ireo tanora nivoaka tamin’ny sekoly ambony, manana diplaoma ambony kanefa manao asa tsy mifandraika akory amin’izany diplaomany izany noho ny tsy fisian’ny rafitra mazava mipetraka eo amin’ny fampananana asa.

    Tsy manao ny asa tandrify ny fahaizany ny 67%-n’ny tanora nahavita fianarana. Tsy manana asa mihitsy kosa ny 80%-‘ny tanora tonga eo amin’ny sehatry ny asa rah any antontan’isan’ny BIT hatrany.

    Tsy mifandrindra araka izany ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny sehatry ny fampananan’asa eto Madagasikara ka ny handrindra izany indrindra no antom-pisian’ny tetikasa Pacer.

    Ifandrimbonan’nireo tompon’andraiki-mahefa avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, minisiteran’ny asa sy ny fanofanana teknika ary ny fanofanana arakasa, ireo mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny fikarohana toy ny oniversite, foibem-piofanana, tanora mpikaroka… ny fanatanterahan aity tetikasa ity.

    Eo indrindra koa ireo kehiben’ny orinasa sy fikambanan’ny mpampiasa toy ny GEM ary ny vondron’ny mpiasa izay hiaraka handrafitra ny paikady hanatanterahana ny tetikasa Pacer.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.