Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Judo – CJSOI : manoman-tena mafy ny Malagasy

    Judo – CJSOI : manoman-tena mafy ny Malagasy

    Mazava. Efa miditra amin’ny tsipika tsy azo ihodivirana ny ekipa nasionaly hiatrika ny « Jeux de la CJSOI » andiany fahafolo. Fifaninanana iraisam-pirenena hotanterahina eto Madagasikara, ny 30 jolay – 5 aogositra izao.

    Ho an’ny taranja judo manokana, efa miditra amin’ny ambonimbony kokoa ny fanazarantenan’ireo mpikatroka mandrafitra ny ekipam-pirenena, etsy amin’ny ANS Ampefiloha. Mifototra tanteraka amin’ny teknika-panafihana sy fiarovantena sy ny tanjaka ara-batana ny fanazarantenan’izy ireo, raha ny fanazavana azo tamin’ny tompon’andraikitra.

    Ankoatra izay, nambaran’ny tompon’andraikitra misahana ny ekipa nasionaly hatrany fa tamin’ny alalan’ny isa azon’ireo mpikatroka nandritra ireo fifaninanana natrehiny no nisokajiana azy ireo ho ekipa nasionaly. Na izany aza, niatrika fifaninanana tsapa ihany koa ireo mpikatroka nampivondronina. Marihina fa tohanan’ny orinasa Telma ireo ekipa nasionaly hiatrika ny CJSOI.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.