Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifandraisan-davitra iombonana : filohan’ny tetikasa Metiss i Patrick Pisal-Hamida

    Natao tatsy amin’ny Nosy Maorisy, ny 21 jolay, teo ny fivoriana faharoa teo amin’ireo orinasa fito amin’ny fifandraisan-davitra, miara-miombon’antoka aty amin’ny ranomasimbe Indianina (COI), ao anatin’ny tetikasa Metiss. Fotoana nihaonan’ny vaomiera iombonana (comité de pilotage), mikasika ilay fametrahana tambajotram-pifandraisan-davitra matanjaka aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Voatendry ho filoham-baomiera ny administratera tale jeneralin’ny vondrona Telma (Madagasikara), Patrick Pisal-Hamida.

    Vaomiera telo ny rafitra ao anatiny, ahitana ny lafiny teknika, ny lafiny lalàna ary ny ara-bola.

    Niraisan’ireo mpandraharaha fito (Blueline, Canal + telecom, Emitel, SRR, Telco OI, Telma, Zeop) feo ny hanitarana hisarihana ny mpandraharaha hafa.

    Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity koa ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), amin’ny maha mpanara-maso sady manohana ny tetikasa rahateo. Amin’ny volana septambra indray ny fivoriana manaraka atao atsy amin’ny Nosy La Réunion. Tanjon’ny tetikasa Metiss ny fampitohizana amin’ny fifandraisan-davitra ny Nosy telo (Maorisy, La Réunion, Madagasikara) amin’ny kaontinanta afrikanina amin’ny taona 2018. Tombanana ho 75 tapitrisa euros ny tetibola ilaina.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.