Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    JR Anosivavaka : hiaka-tsehatra ny Rodobe gasy

    JR Anosivavaka : hiaka-tsehatra ny Rodobe gasy

    Tsy fahita firy sady indray mandeha tsy hiverina. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Restaurant JR Anosivavaka Ambohimanarina ny zoma 29 jolay izao, manomboka amin’ny 8 ora alina ny Rodobe gasy. Ireo mpanakanto sangany eo amin’ny feo sy ny fampiaraham-peo no hiaraka hanafana ity toeram-pisakafoana ity amin’ny alalan’ny « cabaret ». Hiavaka tanteraka izany satria ho avy eo i Poon ; Fafah ; Luk sy Mahery, hotronin’i Haingo sy Lilie ary Rija Ramanantoanina.

    Hoentin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ireo hira malagasy sy gasigasy kokoa. Hampiaina antsika ny tamberina sy ny tsiahy na koa ireo hira aty aoriana, manana ny lazany sy tsy afaka am-bavan’ny maro izy ireo. Tsy hadinoina ny fanehoana ny hiran’ny tarika misy azy avy na ny hiran’ny tsirairay, eny an-tsehatra. Fa hanampy izany ny hira iarahana sy ny maha rodobe gasy azy. Hifanakaiky kokoa ny mpankafy sy ny mpanakanto amin’ny maha « cabaret » azy ka inoana fa hafana ny fiarahana. Mpanakanto manana ny maha izy azy sy efa matihanina rahateo ireto tafaraka an-tsehatra ireto ka tsy handiso fanantenana ireo ho avy eny an-toerana.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.