Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Literatiora sy oha-pitenenana malagasy : loharanom-panabeazana mahomby ny angano

    Literatiora sy oha-pitenenana malagasy : loharanom-panabeazana mahomby ny angano

    Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fitaizana ny ankizy ny angano. Nivoitra izany tamin’ny hetsika mikasika ny “Literatiora, ny fivoarany sy ny andraikiny eo amin’ny fampandrosoana ny firenena”, natao ny asabotsy teo, tao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary ny siantsa maha olona, onivesriten’Antananarivo. Ny “Lasim-pikarohana momba ny literatiora sy ny oha-pitenenana malagasy ”(Llom) izay notarihin-dRtoa Ratsimbazafy Minoson Laingo Ny Hasina sy ny “chargée du partenariat et de la mobilité (ALSH) izay teo ambany fiadidian-dRtoa Magali Yaël Nirina Marson no nikarakara iny hetsika iny. Lohahevitra roa no nisongadina tamin’izany. Ny voalohany, « Le personage de Fara dans les contes malgaches”, novelabelarin-dramatoa Louise Ouvrard, « maître de conférences », Inalco, Paris. Hita taratra tamin’izany ireo toetoetran’i Fara ao anaty angano malagasy sy ny ifandraisany amin’ny toe-tsaina malagasy. Nivoitra koa fa loharanom-panabeazana mahomby ny angano. Ny faharoa, « Le défi de publication en littérature », niarahana tamin-dRtoa Razanamanana Marie Jeanne, Hdr, oniversiten’Antananarivo. Nambarany tamin’ izany ny fomba fijery vaovao tokony hitondrana ny seha-pikarohana momba ny literatiora, ny fifandraisan’ny fampandrosoana sy ny literatiora, indrindra ny fivoaran’izany eo amin’ny fampiasana ny « Ntics ». « Tsy tokony hijanona ho nofinofy fotsiny ny literatiora fa tokony hijoro ireo mpikaroka hahatonga izany ho fanoitra ho an’ ny fampandrosoana ny firenena », hoy izy. Raha ny nambaran’ ny mpitarika ny Llom, Ratsimbazafy Minoson Laingo Ny Hasina, « tanjon’izao hetsika izao  ny hamoaka ireo voka-pikarohana momba ny literatiora malagasy isam-paritra ary mampifandray izany eo amin’ ny sehatry ny fampiroboroboana ny kolontsaina, ny fizahantany, ny sosialy, ny toekarena». Raha ny fantatra, misy hatrany ny hetsika isam-bolana.

    Andry F.

    Les commentaires sont fermées.