Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Unesco sy Tantsary : hisy ny fianarana taosary

    Unesco sy Tantsary : hisy ny fianarana taosary

    Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny asa sary, hanohy ny fampianarana sary fanaony isaky ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe ny fikambanana Tantsary. Atrikasa iarahany amin’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (Com.Nat. Unesco). Atrikasa tanterahina manomboka ny volana aogositra izao.

    Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ity atrikasa ity ny fanomezana fahalalana momba ny fanaovana tantara an-tsary, sariitatra, sarina olona, ary ny sarin’ny natiora. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra, afaka manatrika ity atrikasa ity avokoa izay liana amin’ny taosary. Na izany aza, entanina manokana ny ankizy sy ny tanora amin’izao fotoana fialan-tsasatra izao.

    Marihina fa misokatra ho an’ny daholobe ny tranombokin’ny Com. Nat. etsy Behoririka , izay sady hanatanterahana ity atrikasa momba ny taosary ity rahateo no handraisana ny anaran’ireo te handray anjara.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.