Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy araka ny vava ny atao

    Tsy mahalala sa tsy te hahalala ny olan’ny vahoaka ny mpitondra? Na miezaka amin’ny famahana izany… Na farafaharatsiny mihaino sy mifampidinika any ifotony: inona ny maika, ny (h)atao? Na miara-mihafy aminy ahay…

    Tsy misy tsy mampiaka-peo ny sehatra rehetra, fa tsy arakaraka ny vava ny atao sy ny tena zava-misy. Na olom-pirenena tsotra io, na firaisamonina sivily, na mpanao politika, na fiangonana, na sehatra iraisam-pirenena…

    Inona no afitsoky ny mpitondra? Raha milaza fandriampahalemana, ohatra: izay hampilamina ny toerana hatramin’ny fifidianana, taona 2018? Raha hoe fanarenam-pirenena, izay hampandroso ny akaiky sy ny antoko… ?

    Raha milaza fahafahana, fangejana no mby ao an-tsaina… Toy izany hatrany? Mifanohitra amin’izay lazaina ny atao. Tsy mifankahazo ny resaka, tsy ifampitokisana ny atao. Tsy mahagaga izao tsy fitoniana izao, fa… Aoka re e!

    R.Nd

    Les commentaires sont fermées.