Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    FMTM : haverina ny vakansy teatraly

    FMTM : haverina ny vakansy teatraly

    Mba hampitiavina ny teatra malagasy ho an’ireo mpianatra, hofohazin’ny federasion’ny mpilalao teatra malagasy (FMTM) indray ny vakansy teatraly. Fanofanana, fampitiavana ny mpianatra ny teatra ary tsy hisarika azy hirenireny fotsiny na voasarika amin’ny zava-dratsy no tanjona. Ilany ho an’ny fianarany ihany koa izany.  Amin’izao fanombohana izao, nofidin’ny mpikarakara aloha ny kilasy fahasivy na 3ème no ho miakatra.

    Hotontosaina ny alahady 7 aogositra, amin’ny 3 ora tolakandro, ny fanokafana amim-pomba ofisialy ny vakansy teatraly, ao amin’ny Tranompokonolona Analakely. Hitohy isaky ny talata, alarobia, alakamisy ary zoma, amin’ny 2 ora tolakandro izany, mandritra ny volana aogositra sy septambra. Hiantsoroka ny fampiofanana ireo efa za-draharaha ao amin’ny FMTM. Marihina fa tsy andoavam-bola ny fiofanana, misy kosa ny saram-pisoratana anarana, ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ihany.

    Tsiahivina fa tamin’ny taona 2008 no nisy fanofanana teatra farany nataon’ny FMTM. Nisy telo tamin’ireo andiany farany ireo nanohy ny fianarany any Frantsa ao amina Ecole d’Art Dramatique samihafa.

    Landy R.

    Les commentaires sont fermées.