Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taxi : tsy azo leferina ny fiara tsy tomombana

    Taxi : tsy azo leferina ny fiara tsy tomombana

    Mitohy ny hetsika fanaraha-maso akaiky ireo taxi miasa eto Antananarivo Renivohitra ataon’ny CUA. Tsy azo leferina ny tsy fahatomombanan’ny fiara izay miantoka tanteraka ny ain’ny mpandeha.

    Anisan’ny fitaovana sy kojakoja iharan’ny fisavana ny antontan-taratasy momba ny fiarakaretsaka. Eo koa ny jiro, ny fitoeran-tsolika, ny hisatra, ny kalitaon’ny seza ny endrika anatin’ny fiara, ny kodiarana, ny fitaovana misy ny kojakoja fitsaboana tsotra, ny fitaratra sao misy vaky.

    Tsy azo andeferana ihany koa ny tsy fananana fitaovana famonoana afo ao anatin’ireny fiarakaretsaka ireny. Betsaka ireo fiarakaretsaka hita mirehitra etsy sy eroa ary mety mampidi-doza ny mpandeha sy ny manodidina izany.

    Miditra « fourrière » avy hatrany ireo tsy mahafeno fepetra mandra-pahavitan’ny fanarenana na fanoloana ny simba na famenoana ny banga ankoatra ny lamandy efa miandry azy.

    Efa mandeha ny fanisana ireo fiarakaretsaka ara-dalàna eny Antsakaviro. Mahatratra 500 ireo efa voaisa hatreto ary entanina hatrany ireo tsy mbola nahavita izany fanavaozana amin’ny fisoratana anarana izany ny CUA.

    Hanomboka amin’io herinandro miditra io kosa ny fanisana ireo taxi-be eto an-dRenivohitra ho fanohizana ny fandaminana ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.