Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Agro Ankatso : miompana amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana

    Miditra mivantana amin’ny fandraisana andraikitra sy midina eny ifotony ny sampam-pianarana Rano sy ala ao amin’ny sekoly ambony mikasika ny siansa sy ny fambolena ary ny fiompiana (ESSAgronomiques) eny Ankatso. Nikarakara hetsika manokana izy ireo ny zoma 29 jolay teo, tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Nambaran’ny tompon’andraikitra ao aminy, Rabemananjara Zo Hasina, fa natao ity hetsika ity, hifaneraseran’ny mpisehatra amin’ny tontolo iainana mivantana. Tsikaritra mantsy hatramin’izay fa samy nanao ny azy avokoa ireo sehatra na rafitra samihafa, ka tsy ampy ny fifandraisana sy ny serasera, ary indraindray mety misy ny fifanitsahan’ny sehatra sahanina, na koa misy sehatra tsy voakasika mihitsy.

    Fanamboarana saribao manara-penitra

    Anisan’ny asa mivaingana ataon’ity sampana ity ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fikambanana Maitsoanala sy ny Tany Meva, nanangana ny toerana manokana misehatra amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana, any Mandraka, 65 km miala an’Antananarivo, mihazo ny lalampirenena faharoa (RN 2), nomena ny anarana hoe Saha Maitsonala. Ankoatra ny fizahatany, mampianatra ny mponina ifotony koa izy ireo amin’ny fikajiana sy ny fihariana miaro ny tontolo iainana. “Mampianatra ny tantsaha amin’ny fanamboarana saribao manara-penitra izahay. Vitsy kokoa ny hazo kapaina, nefa betsaka ny saribao azo”, hoy ihany Rabemananjara Zo Hasina. Eo koa ny fitantanana sy ny fanodinana ny fako, ho lasa zezika azo amokarana.

    Nisy koa ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, miampy tranoheva nandraisan’ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana anjara, toy ny Madagascar national park, ny GIZ, ny Tany Meva, sns.

    Njaka Andriantefiarinesy

    Les commentaires sont fermées.