Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambatobe : nizara sakafo 1200 ny Rotary Ivandry

    Ambatobe : nizara sakafo 1200 ny Rotary Ivandry

    Fizarana sakafo masaka ho an’ny olona sahirana 1200 no nanombohan’ny filohan’ny Rotary Ivandry vaovao, Dimitris Skourtelis ny taom-piasany ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny fokontany Mandrosoa Ambatobe. Nomena ny anarana Resto du coeur ny tetikasa, izay hitohy mandritra ny taona 2016 iray manontolo ka tanjona ny hizara sakafo hatramin’ny 50 000, araka ny fanazavan’ny filohany. Nosafidina hisantarana ny hetsika teny amin’ny fokontany Mandrosoa Ambatobe satria monina eny ny tenany ka niarahana tamin’ny filohan’ny fokontany, Ramamonjisoa Haja ny fikarakarana rehetra.

    « Manamaivana ny fahasahiranan’ny mponina ao amin’ny kartie 11 misy ao amin’ny fokontany ny fizarana sakafo tahaka izao », hoy ny sefo fokontany. Isaorana betsaka ny fikambanana Rotary Ivandry, izany. Misy komity isaky ny kartie ka izy ireny no mifantina ny tokantrano tena sahirana hahazo ny sakafo masaka.

    Hitohy isam-bolana ny Resto du coeur ka hiova ny toerana hizarana izany fa natokana ho an’ny sahirana hatrany. 11 ny isan’ny tetikasa iantefan’ny fanampiana.

    Vinan’ny fikambanana Rotary ny hanampy ny mpiara-belona amin’ny asa sosialy maro : fahasalamana, fanabeazana, fiahiana ny mahaolona…

    Miova isan-taona ny filoha mitantana ny fikambanana Rotary isanisany.

    Vonjy A.  

    Les commentaires sont fermées.