Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Faran’ny herinandro an-tsary

    Faran’ny herinandro an-tsary

    Nentina an-tsehatra, tetsy amin’ny Cemdlac Analakely ny asabotsy teo, tamin’ny alalan’ny tsangan-tononkalo, ny « Antsahanofy », sanganasan’i Hanitra Olive. Niavaka noho ny fahita hatramin’izay ity tsangan-tononkalo ity, araka ny efa nampanantenaina, satria toy ny mifamaly ireo tononkalo. Teo ihany koa ny fiantsan’olon-droa tononkalo iray. Maromaro ireo mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra nandray anjara tamin’izany. Nisy ihany koa ny fotoana nihiran’i Hanitra Olive, nandritra ny fampisehoana.

     

    ????????????????????????????????????

     

    Tsy an-kitsitsy mihitsy ny adin-kiragasy, nifanandrinan-dRaedisamimanana, avy any Sahavato A, sy ry Rasohasimanga Berthine, avy any Ambohimandroso, omaly teny amin’ny Kianjan’Andohalo. Toy ireo tarika efatra efa nifandona, hatramin’ny nanombohan’ny hetsika, samy vonona ny handrombaka ny loka amin’ny « Hiragasy makotrokotroka » andiany fahafito ireto tarika roa ireto. Tsiahivina hatrany fa tsy hifarana ny adin-kiragasy raha tsy ny 16 oktobra izao.

    ????????????????????????????????????

    Nanatontosa : Landy R. Fano, Tiana R.  

    Les commentaires sont fermées.