Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Asa fampihorohoroana – Torkia : hitory ny ambasadaoro ny Collège la lumière international

    Tsy hipetra-potsiny. « Tsy ekenay ny fanendrikendrehana anay ka hitory ny ambasadaoro tiorka izahay. Miteny tsy misy porofo sy manoso-potaka izy ireo », hoy ny talen’ny Collège la lumière international (ILC) eny Talatamaty, omaly tamin’ny haino aman-jery.  Nohitsiny fa tsy marina ary tsy mitombina ny vaovao miely, araka ny nanambaran’ny ambasadaoron’i Tiorkia, Volkan Türk Vural, azy ny faran’ny herinandro teo ka nilazana fa anisan’ireo mpampihorohoro ity sekoly ity ary miafina amin’ny asa soa ataony. Tsy vitan’izany fa mifandry tendro amin’ilay mpitarika ny fanonganam-panjakana tany Torkia, ny 15 jolay teo, araka ny nambarany. « Hampianatra sy hampita fahalalana izahay eto  ary miady amin’ny asa fampihorohoroana. Tonga eto ho amin’ny fanabeazana ary hanampy ny olona mba ho foana ny fampihorohoroana. Manafoana sy miady amin’izany izahay amin’ireo firenena rehetra, ahitana anay. Foana ho azy io rehefa mianatra avokoa ny olona», hoy ihany izy ireo. Nanteriny fa azo porofoina amin’ireo mpianatra sy mpampianatra eo anivon’ny sekoly na koa ny fiarahamonina eny amin’izy ireo izany ambara fa asa fampihorohoroana izany.

     Manao asa soa ho an’ny sahirana ny ILC

     Ankoatra izany, nambarany fa sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana tiorka ny ILC. Na izany aza, manaraka ny lalàna eto amintsika sy ny fiaraha-miasa amin’ny Dren na koa ny Cisco. Nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara eo amin’ny iraisam-pirenena amin’ny fifaninanana « Olympiade mathématique », ohatra, ireo mpianatra ao an-toerana. Eo koa ny asa soa efa fanaon’izy ireo, toy ny fampianarana sy fanabeazana ireo zanaky ny sahirana, nanomboka ny taona 2010. Eo koa ny fanomezana boky, toy ny eo anivon’ny pilisim-pirenena…

    Etsy andaniny, anisan’ny nambaran’ny ambasadaoro ho miray tendro miaraka amin’ny mpampihorohoro koa ny Ivontoerana Ravinala etsy Andavamamba.

    Tsiahivina fa nananomboka niasa tamin’ny sehatry ny fanabeazana eto, ny taona 2002, ny ILC.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.