Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Halatra lakolosy ao Alaotra Mangoro : tsy mifampatoky ny mpiray fiangonana

    Halatra lakolosy ao Alaotra Mangoro : tsy mifampatoky ny mpiray fiangonana

    Lasa mampisavorovoro ny mpiara-monina, ankoatra ny maha halatra azy any amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny  ny halatra lakolosy. Voalazan’ny loharanom-baovao any anivon’ireo mpiara-mivavaka any  fa”…misy uranium  izay amana tapitrisa ny vidiny ao amin’ireny lakolosy ireny ka izany no mahatonga ny firongatry ny halatra lakolosy amin’izao fotoana izao”. Vokany, lasa tsy  mifampatoky ny mpiray fiangonana ny amin’ny hitazona ny lakolosy rehefa ampirimina ilay  izy. Tonga hatrany amin’ny hoe “ Aleo hapetraka any amin’ny Synoda” saingy mifamahofaho hatrany ny hevitra manoloana izany, araka ny fanazavana. Manoloana ireo toe-javatra sy savorovoro mila hampisy olana momba ny fandriampahalemana ireo, nanambara ny Kapiteny Ramboasalama Bruno, kaomandin’ny Vondron-tobin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambatondrazaka, fa hifandinika amin’ireo mpitondra fiangonana  izy ary hilaza amin’izy ireo  fa ”azon’izy ireo apetraka ao amin’ny toby iandraiketany ny lakolosy hiarovana azy tsy ho very, raha tapaky ny mpiray fiangonana tompon’ny lakolosy izany”.

    Rarivo

    Les commentaires sont fermées.