Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    OIF – Tsy misy ny vola : mikatso ny asa eny Andohatapenaka

    Manomboka mampiahiahy. Nalefa nody ireo mpiasa anjatony manorina ny fotodrafitrasa  handraisana sy hampiantranoana ireo vahiny hiatrika ny fivorian’ny Frankofonia, etsy Andohatapenaka, araka ny nambaran’ny mpiasa teny an-toerana ny faran’ny herinandro teo. « Nivory ny Seimad sy ny DG ary ny fanjakana ny zoma teo, ka niainga amin’izany ny fanapahana ny handefasana ireo mpiasa », hoy ny mpiasa iray. Latsaky ny 100 sisa ireo mpiasa manohy ny asa fanorenana eny an-toerana raha maherin’ny 700 izy ireo tany am-piandohana. Manjavozavo, hatreto, ny antony. Na izany aza, voalaza fa tsy ampy ny vola hanohizana ny asa. Mbola tokony hanangana trano misy rihana folo hafa ankoatra ny efa an-dalam-panorenana amin’izao fotoana izao, tsy lavitra eo anefa izy ireo raha ny drafitra. Efa antomotra ny fotoana hanaovana ny fivoriana, hatao ny volana novambra izao. Afaka telovolana eo ho eo sisa. « Sarotra be ny hino fa ho vita sy ho tratra ao anatin’izany ireo fotodrafitrasa ireo », hoy ihany ny mpiasa sasany. Tsy henoheno na tsy hita intsony rahateo ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny fanomanana ny fotodrafitrasa mijery ifotony sy maneho amin’ny mpanao gazety matetika ny fizotry ny asa. Misy antony avokoa izany ?

    Hampitafy henatra antsika eo imason’izao tontolo izao

    Mbola mampanahy koa anefa ny lafiny fitandroana ny filaminana sy fandriampahalemana. Vao nanamafy ny fisian’ny fikambanana mpampihorohoro eto amintsika ny ambasadaoron’i Torkia, ny faran’ny herinandro teo, ary nanondro sekoly sy fikambanana mpanao asa soa ho ao ambadiky izany. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanonganam-panjakana tany Torkia farany teo ny lehiben’ireo mpampihorohoro ireo.

    Ampahany amin’ny mety tsy haharaikitra ny fivorian’ny Frankofonia avokoa ireo. Hampitafy henatra ho antsika raha tsy misy fepetra raisin’ny fitondrana haingana, ato anatin’ny fotoana fohy.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.