Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    BNI Madagascar : hampiakatra ny tahan’ny fampiasana banky

    BNI Madagascar : hampiakatra ny tahan’ny fampiasana banky

    Miezaka manakaiky kokoa ny mponina izao ny banky BNI Madagascar. Marihina fa mbola ambany dia ambany ny isan’ny Malagasy manana kaonty amin’ny banky, 8 % raha be indrindra izany amin’izao vanim-potoana izao. Mbola mibahana ny fampiasana lelavola amina sehatra rehetra, indrindra fa any amin’ny tontolo ambanivohitra. Mbola vitsy ny masoivohon’ny banky, miisa fito ho an’ny mponina iray tapitrisa, raha ny salanisa navoakan’ny Banky foibe.

    Hampiakarana izany tahan’ny fampiasana banky izany eto Madagasikara, omaly, nampahalala ny tolotra ao aminy ny BNI Madagascar, hisarihana mpanjifa vaovao. Ny banky isanisany, samy manana ny politikany hanetsehana ny toekarem-pirenena. Tsotra ny tolotra ao amin’ny BNI Madagascar. “Araka ny tinadin’ny mpanjifa ny tolotra misy”, hoy ireo mpitantana ao aminy. “Malaky”, ho an’izay mitady vahaolana momba izay fandaniana tsy ampoizina ; “Vina”, ho famatsiana tetikasa manokana ao anatin’ny fotoana tsy lava loatra ; “Vaika”, ho an’izay mitady môto na fiara ; “Tosika”, manohana ireo mpiasam-panjakana mifindra toerana. Anjaran’ny tsirairay izany ny mijery izay tinadiny.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.