Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanafihana teny Andoharanofotsy : tonga tany an-tranona mpitandro filaminana ny alika mpitsongo dia

    Fanafihana teny Andoharanofotsy : tonga tany an-tranona mpitandro filaminana ny alika mpitsongo dia

    Nitrangana fanafihan-jiolahy teny Andoharanofotsy, omaly vao maraimbe. Voalazan’ny fampitam-baovao fa andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tompon’antoka tamin’izany. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny entana izay azo nentina tao amin’ireo trano voatafika. Niantso zandary avy hatrany ireo niharam-boina taorian’izay. Nampiasa alika mpitsongo dia nentina nanara-dia ireo olon-dratsy ny zandary ka nifarana tamina tranona mpitandro filaminana iray ny fitsongoana dia nataon’ilay alika. Nahitana fitaovana mampiahiahy tao amin’ity mpitandro filaminana ity izay mety ho ahiahiana ho nandray anjara tamin’ilay fanafihana, raha ny fanazavana voaray. Nilaza kosa anefa ny zandary fa aorian’ny fanadihadiana no ahafantarana ny marina rehetra momba izany. Tsy midika izany fa olo-meloka ity mpitandro filaminana tratra ity fa ny fanadihadiana no mamaritra izany, araka ny fanazavana hatrany.

    Tsy vao izao rahateo no nahitana mpitandro filaminana voasaringotra tamina fanafihan-jiolahy toy izao.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.