Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kabary : hamoaka mpikabary 620 ny Mpikalo

    Kabary : hamoaka mpikabary 620 ny Mpikalo

    Rehefa nianatra kabary tao anatin’ny herintaona, hamoaka mpikabary mahatratra 620 ny Mpikabary katolika (Mpikalo). Hetsika hotanterahina ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny asabotsy 6 aogositra izao. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fampianarana, anisan’ny nahamaro ity andia « Masimbavin’i Terezin’i Jesoa Zazakely » ity ny fitomboan’isan’ny mpampianatra eo anivon’ny Mpikalo. Efa afaka nampianatra ireo nahazo fiofanana dingana faharoa tamin’ny herintaona. Nanokatra toerana fampianarana avy hatrany izy ireny.

    Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny tolakandron’io asabotsy io ny seho an-tsehatra, kabarim-paritra, soradihy, dontany sy kapotandroka, sns. Handray anjara amin’izany ireto mpikabary andia « Masimbavin’i Terezin’i Jesoa Zazakely » ireto. Mialoha izany fanehoana ny hakanton’ny kolontsaina malagasy izany, hisy ny fizarana mari-pahaizana ho azy 620 mianadahy.

    Marihina fa anisany mampiavaka ny Mpikalo ny fampifandraisana ny tambantsoatoavina (kabary sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly).

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.