Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toetry ny andro : hiakatra ny maripana, tsara ny andro

    Ho tsara ny andro manerana ny Nosy amin’ity herinandro ity, mety hisy kosa ny orana tandrifin-drahona malefaka, rahampitso, any Bongolava, Vakinankaratra ary Fianarantsoa indrindra ny takariva sy ny alina. Handrafitra ny andro ny tsioka alizay malefaka. Hisy fidinany ny maripana ambony amin’ny faran’ny herinandro noho ny fahatongavan’ny rivotra mangatsiaka, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.

    Na eo aza ny fiakaran’ny maripana eto afovoan-tany, hisy ihany ny zavona miaraka amin’ny hatsiaka, ny vao maraina, any Atsimo Andrefana, Androy sy Anosy.

    Eo anelanelan’ny 4°C ka hatramin’ny 13°C ny maripana ambany indrindra eto afovoan-tany, raha hatramin’ny  26°C ny maripana ambony indrindra.

    Mila mailo ihany ny rehetra satria mbola mamirifiry amin’ny maraina ka mila mivonona amin’ny akanjo mafana, toy izay koa ny takariva. Ny fivadihan’ny maripana rahateo no mitarika tsy fahasalamana tampoka ho an’ireo marefo, toy ny ankizy sy ny zokiolona.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.