Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Depiote Nina Mahajanga : tsy mahazaka fitondrana ny mpitondra

    Depiote Nina Mahajanga : tsy mahazaka fitondrana ny mpitondra

    Tsy nitsitsy fitenenana. “Tsy zakan’ny sasany ny fanalahidy nomena azy amin’ny fitantanana ny firenena ary manao amboletra hatrany izy ireo. Tsy azo ekena anefa izany”, hoy ny depiote Rahantanirina Lalao na Nina, ny faran’ny herinandro teo tao Mahajanga. Nohitsiny fa manjaka ny fitiavan-tena sy ny fitadiavana tombontsoa manokana. Notsiahiviny ny momba ilay lalàn’ny fifandraisana anisan’ny mahabe resaka amin’izao fotoana izao ka nilazany fa tokony ho nampahafantarina ny vahoaka izany satria ain-dehiben’ny firenena. “Natao tery vay manta anefa ny fandaniana izany”, hoy ihany ity depiote Mapar ity.

    Momba ny fitantanana ny Tanànan’i Mahajanga kosa, nambarany fa misy ihany ny sakantsakana. Anisan’izany, ohatra, ny tsy mbola nampisalorana ny samboady ny ben’ny Tanàna ao Mahajanga nefa efa herintaona nitantanana izao. “Tsy fantatra hatramin’izao ny antony… Mety hataonay miaraka amin’ireo Tangalamena avy amin’ireo foko samihafa eto an-tanàna izany raha izao no fandehany”, hoy ny depiote Nina.

    Mitohy ny asa sosialy

    Tsiahivina fa nanao didimpoitra faobe ho an’ny zaza maherin’ny 500 ny depiote Nina tamin’io fotoana io. “Asa sosialy efa fanao izany sady fampahafantarana ny kolontsaintsika sy ny fombantsika. Efa tsy voahaja intsony izany noho ny fomban’ny vahiny tafiditra eto. Manomboka tsy ho hita intsony ny fifankatiavana”, hoy izy.

    Hitohy amin’ny fanampiana ara-pitaovana ny mpianatra hiditra an-tsekoly amin’ny taom-pianarana vaovao indray ny asa sosialy manaraka.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.