Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ny jeneraly Ramakavelo Désiré : ny fanajana lalàna no mampiverina ny fandriampahalemana

    Ny jeneraly Ramakavelo Désiré : ny fanajana lalàna no mampiverina ny fandriampahalemana

    Hatramin’izao, tsy hita be ihany ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Zava-dehibe, maika… Maneho ny fijeriny ny mpandalina tantara sady minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha, ny jeneraly Ramakavelo Désiré: “Ny fanajana lalàna no mampiverina ny fandriampahalemana.” Dinidinika…

    Gazety Taratra (*): Ny fijerinao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao

     Jeneraly Ramakavelo Désiré (-): Manahiran-tsaina… Azo lazaina hoe tsy milamina isika. Na ny fahitana ny fifandroritana ny lalàna momba ny fifandraisana aza: iza no tena manana ny marina, tsy mahay ny mpanao lalàna sa mila vaniny ny mpanao gazety? Matoa miziriziry ny mpanao gazety: tsy mamela raha tsy mahazo fahafaham-po, satria teo aminy ny fahalalahana. Ry zareo ve no tena manana ny marina? Matoa mitana ny heviny izy ireo, mieritreritra fa manana ny marina.

    Ahoana izany ny mpanao lalàna amin’izany? Tena olana lehibe eto amintsika io: toy ny mpahay lalàna avokoa ny olon-drehetra, tsy fantatra intsony. Izay no mahatonga ny lalàmpanorenana tsy hajaina ireny. Miseho ho mahay lalàna avokoa ny rehetra. Hatramin’ny vovonana iadian’ny lohany, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) aza: misy zavatra tsy araka ny lalàmpanorenana. Izay no mahatonga izao fisavoritahana izao.

    * Ahoana ny fahitanao ny fampiasana mpitandro filaminana amin’izay mihetsika rehetra?

    – Amiko, misy lafiny tsy tsara ihany ireny. Toy ny olona miantso vonjeo lava io, tonga hatrany ny olona: farany, leo, lasa tsy rototra. Satria efa mahazatra io… Rehefa tonga tokoa ny tokoa, tsy taitra intsony ny olona. Efa mahazatra azy ny mahita miaramila, zandary, polisy… mivezivezy eran’ny tanàna.

    Tokony hisy lalàna mifehy azy ny fampiasantsika mpitandro filaminana, fa tsy isaky misy zavatra mihetsika kely: farany, tsy itokisan’ny olona intsony. Tsy taitra intsony ny olona amin’ny efa mahazatra, rehefa tena misy zava-mitranga.

    * Misy milaza hoe endriky ny jadona izay. Ahoana ny amin’izay?

    – Mazava fa matahotra ny tena, raha vao mahita olona mitam-basy. Sarotra  ny mieritretitra hoe: fampitandremana sa fampihorohoroana sa tena fiarovana ny vahoaka sy ny fananany?

    Raha tenenina hoe fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, maninona no misy vono olona? Maty atsy, fandrobana aroa… Eo indray ny fisalasalana: inona marina ireo mpitandro filaminana?

    Amin’ny maha minisitry ny Fiarovam-pirenena ahy teo aloha, tokony hitandrina ihany isika. Raha sanatrian’ny vava ka leo ny fanidina azy ao amin’ny toby ny miaramila, na avoaka sy alefa isan’andro danihan’ny hainandro nefa tsy misy zava-mitranga: ho sahirana ihany isika, mba tokony hieritreritra. Mila fandanjalanjana… Tsy manome lesona aho, sanatria. Mety hiteraka faharerahan-tsaina io; tampotampoka eo, hisy fiovan-javatra.

    * Inona no heverinao ho vahaolana amin’izao toe-draharaha izao? Na ny tena maika…  

    – Mampisy ny filaminana ny fanajana ny lalàna velona misy… Ampiharo ny lalàna misy. Fa tsy hoe atao rehefa mahadiavolana ny fon’ny tena, tsy atao rehefa tsy tiana. Indraindray, mahalasa fisainana: sao tokony hofoanana àry ny andrimpanjakana mpanao lalàna? Manao lalàna izy: arahina sa tsia, atao sa tsia? Raha ny fijerin’ny olona ety ivelany no ara-dalàna: inona no ilàna mpanao lalàna?

    Ny fandriampahalemana no tena maika… Amiko, milaza filaminana ny eto Antananarivo ny fahitana ireny mpitandro filaminana ireny: misaron-tava, mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika… Ny fanajana lalàna no mampiverina ny fandriampahalemana. Rehefa hajaina ny lalàna, tsy misy olona adala ka hihoa-pefy. Matoa misy ny mihoa-pefy, satria tsy ara-dalàna ny zavatra atao.

    * Ahoana ny fanahian’ny mpitondra fanakorontanana sy fanonganam-panjakana lava?

    – Ny zavatra mahavariana amin’izao, raha mamaky gazety: misy iray manasohaso fotsiny, misy iray hafa ny manapotika fotsiny. Izay ve ilay izy? Ny mampalahelo, simba ny fahitana ny asa fanaovan-gazety. Nefa ireo no tena tokony hitokisan’ny olona: mpanome vaovao, manabe ny olona amin’ny maha olom-pirenena azy handray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena…

    Tena variana aho: hay ve ny mpanao gazety koa ka misy mivadika palitao! Nefa hery fahefatra ny mpanao gazety. Izay ilay hoe aza miady amin’ny mpanao gazety, fa sahirana rehefa ifarimbonan’ireo. Satria karazan’ny manamboatra sy mitarika ny fijerin’ny olona ireo.

    * Inona ny hafatrao ho an’ny vahoaka?

    – Aoka isika vahoaka hilamina, fa tsy hoe voasinton’ny atsy na voasariky ny aroa. Isika ange no miady an-trano… Rehefa miady an-trano ny tena, mandray fiaramanidina ry zareo, lasa any ivelany. Ny tena no tratra farany eto. Aoka isika hahay handinika sy handanjalanja ary hamakafaka tsara ny tena zava-misy marina. Samy mahay miresaka avokoa ny mpanao politika. Nefa manao ahoana ny firenena amin’izao fotoana izao?

    Manao antso avo ho an’ny firaisamonina sivily izay tsindrilentam-pahefana aho: tsy ilaina ny fisavoritahana etsy sy eroa, fa ny fanehoan-kevitra mazava sy maharesy lahatra ny vahoaka. Ny vahoaka no tompon’ny fahefana. Jereo ny nitranga tany Torkia, ohatra: tsy misy hery maharesy ny vahoaka, raha mitambatra izy.

    Nangonin’i R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.