Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basikety – Mada U14 G/F : hifampitady any Mahajanga ireo ekipa kalaza

    Basikety – Mada U14 G/F  : hifampitady any Mahajanga ireo ekipa kalaza

     Raikitra. Hotanterahin’ny federasiona malagasin’ny basikety sy ny ligin’i Boeny ary ny orinasa Telma, mpanohana ofisialy, ny 6 – 14 aogositra izao, any Mahajanga, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny sokajy U14 zazalahy sy zazavavy sy eo amin’ny sokajy “vétérans” lahy sy vavy. Mandritra io fotoana io koa anefa no hizoran’ny fifaninanam-pirenena andiany faharoa eo amin’ny Fiba 3×3 na ny basikety ho an’olon-telo miaraka.

    Araka izany, hifamotoana any Mahajanga, ao amin’ny Complexe Sportif, ireo ekipa kalaza sy sangany avy amin’ireo ligim-paritra misy azy tsirairay.

    Fa anisan’ny hetsika andrasan’ny olona sy ny mpitia basikety any an-toerana ihany koa ny eo amin’ny sokajy “veterans”. Anisan’ny ekipa goavana hiady lohany amin’izany ny UASC (Cheminot), tompondaka farany, sy ny BBCM, sns. Tsy maintsy hiady mafy hitazomany ny anaram-boninahitra eo am-pelan-tanany ry zareo Besetroka amin’ity indray mitoraka ity. Tsy hanaiky lembenana ihany koa anefa ireo ekipa hafa.

    Eo amin’ny Fiba 3×3 indray, hiavaka ny andiany faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena izay hotanterahina amin’ny andro alina eny amin’ny Soma Village, Mahajanga.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.