Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanorenana fotodrafitrasa : ho avy ny vahiny hijery ny fanomanana ny Frankofonia

     Tsy hitsangatsangana. Ho avy hitsidika eto amintsika ary hanombana ny fizotry ny asa fanomanana ny handraisana ny Frankofonia ireo vahiny, avy amin’ny firenen-tsamihafa. Intelo miantoana ny fahatongavan’izy ireo. Eo ireo ho avy ny 22 aogositra, ny 5 septambra ary mamarana azy ny 8 septambra izao. Ho fantatra eo ny fahavitan’ny asa rehetra, toy ny lalana, ny fotodrafitrasa handraisana na koa hivahinian’ireo vahiny ary koa ny toeram-pivoriana. Fa ny lehibe indrindra koa ny lafiny fiarovana sy ny fitandroana ny filaminana. Ahoana ny ho fipetrany ? Tsy azo hadinoina fa olo-be avy amin’ny firenena maro ahitana, filoham-pirenena sy filoham-panjakana ireo ho avy eto amin’io volana novambra io. Aisan’izany ny filoha frantsay, François Hollande sy ny avy any Cote d’Ivoire, Alassane Ouattara, ny filohan’ny RDC Congo, Joseph Kabila. Manampy ireo ny andriamanjaka Maraokanina sy ny praiminisitra Kanadianina ary ny avy any Quebec…

    Etsy andaniny, fantatra izao fa lasa eo ambany fitantanan’ny Hotely Sheraton izany izao ny hotely kintana dimy eny amin’ny CCI Ivato. Voalaza fa efa vonona ny handray izany fihaonana an-tampon’ny Frankofonia izany. Anisan’izany ireo tranobe, handraisana ireo filoham-panjakana. Manampy ireo ny efitrano fandraisam-bahiny hatrany amin’ny 160.

    Telo volana mialoha isika izao… Efa tena vonona amin’ny lafiny rehetra isika ?

    Synèse R.

     

     

    Les commentaires sont fermées.