Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haody : kolontsaina malagasy

    Misy mitady hanafangaro ! Tsy fanahiniana fa vokatry ny tsy fahalalana. Nanjary tafiditra ao anatin’ny kitapo iray ny kolontsaina malagasy sy ny kolontsaina tsy an’ny Malagasy. Ahitana io tranga io avokoa ny karazan-javakanto sy kolontsaina rehetra. Anisan’ireny ny hira, dihy, tantara, sns. Mahasadaikatra ihany, ohatra, ny maheno ireo hira na feon-kira malagasy tsy ananan’izao tontolo izao kanefa anatsofohana gadona hafa. Mbola lazaina fa kolontsaina malagasy ihany « hono » izy ireny satria Malagasy ny mihira azy. Teny malagasy ny tonony!

    … Raha tahaka io tranga io avokoa ny miseho amin’ny zavakanto sy kolontsaina malagasy, ho very fototra tanteraka ny Malagasy ka ho azo volavolaina amin’izay hitiavana azy !

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.