Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Antsirabe : saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay miaramila

    Antsirabe  : saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay miaramila

    Saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ny fihetsika nataona miaramila manamboninahitra iray tany Antsirabe, ny alakamisy alina teo. Araka ny vaovao avy any an-toerana, nisotrosotro tamin’ny toeram-pilanonana iray any an-toerana izy sy ny namany. Taorian’izay, niaraka tamina vehivavy iray mpivarotena izy io, ka rehefa vita ny natao, nikasa ny hiala moramora ilay miaramila, kanjo nampiaka-peo ilay tovovavy. Notorahan’izy io mihitsy ny fiaran’ilay miaramila ka nahavaky ny fitaratra. Tezitra ny anao lahy ka nivoaka nikasa ny hitarika ilay vehivavy ho any amin’ny polisy, kanjo nosavoritahan’ny mpivarotena marobe. Niitatra ny fifamaliana teo, ka nitangorona ny olona maro ary nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka. Nahita izany ilay manamboninahitra ka niolomay niala teny an-toerana niaraka tamin’ny fiarany. Ny namany moa efa niala mialoha raha vao nanomboka nitangorona ny olona. Saika ratsy ny fandehan’ny tantara, raha nisy kely. Araka ny vaovao avy any Antsirabe ihany, nisy nahafantatra io manamboninahitra io, ary nambaran’ny olona fa lietna izy. Toe-javatra mateti-pitranga ihany ny toy izao, saingy niharihary hitam-bahoaka ny raharaha. Azo heverina fa tsy mendrika raha manamboninahitra ny haneho toetra hafahafa imasom-bahoaka toy izao. Anisan’ny mahatonga ny olona tsy hatokitoky mpitandro filaminana izany indraindray satria, efa voalaza fa miaro ny vahoaka sy ny fananany ny asan’izy ireo, fa tsy sanatria hampahory na haneho fihetsika hafahafa amin’ny olona. Soa ihany fa nilamina ihany ny toe-draharaha ity.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.