Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Indray mijery

    Hanomboka ny talata maraina ny fitsarana ny taratasim-panadinana rehetra ho an’ny fanadinana bakalorea. « Vonona ny mpitsara 1 500 hiatrika ny asa ary matetika ampy hatrany ny isan’izy ireo fa tsy toy ny mpanara-maso ny fizotry ny fanadinana », hoy ny talen’ny ofisin’ny bakalorea eto Antananarivo. Misy dingana maromaro arahina hatramin’ny fampidiran’ny naoty rehetra amin’ny ordinatera. Nambaran’ny tomponandraikitra fa hivaly ny 9 septambra ny fanadinana. Ny mpiadina efa sasa-miandry.

    Hahazo vata fampangatsiahana avokoa ny toeram-pitsaboana sy hopitaly manerana ny Nosy hatramin’ny faran’ny volana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tany Manakara tamin’ity herinandro ity. Nanolotra fitaovam-piasana ho an’ny hopitalin’i Manakara sy Ikongo ny tenany tamin’izany. Notokanana omaly kosa ny hopitaly ao Ankaramalaza.

    Les commentaires sont fermées.