Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Judo – J.O 2016 : hidona amin’ilay Cubaine, Mestre Alvarez, i Asaramanitra

    Judo – J.O 2016  : hidona amin’ilay Cubaine, Mestre Alvarez, i Asaramanitra

    Raikitra. Nanomboka omaly ny Lalao Olympika 2016 (J.O) any Rio de Janeiro, Brezila. Nakotrokotroka ny lanonam-panokafana tamin’izany. Anisan’ny firenena mandray anjara sy manana solontena amin’izany i Madagasikara. Taranjam-pifaninanana efatra (atletisma, judo, fibatana fonjamby ary lomano) no handraisantsika anjara amin’io hetsika goavana faratampony eo amin’ny fanatanjahantena olympika maneran-tany io.

    Ankoatra izay, efa nivoaka ihany koa ny fandaharam-potoan’ny fifaninanana rehetra isan-taranja. Ho an’ny judo manokana, hidona amin’ilay Cubaine, Mestre Alvarez, ilay solontenantsika tokana, Ratiarson Asaramanitra, eo amin’ny sokajin-danja -48 kg vehivavy. Mafimafy ihany ity katrok’ady eo amin’ny fihodinana voalohany ity, raha ny fanazavan’i Asaramanitra. Na izany aza, nanambara izy fa hiezaka ary hanao izay farafahaizany sy faraheriny hiakarana amin’ny dingana ambonimbony kokoa.

    Hotaterina anao an-gazety eto ihany ireo vaovao rehetra mikasika ireo atletantsika miatrika ity J.O 2016 any Rio ity.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.