Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Obio-Hamy : avadika angovo fandrehitra ny mangahazo

    Obio-Hamy  : avadika angovo fandrehitra ny mangahazo

      Orinasa vaovao niforona ny oktobra 2015 ny Obio-Hamy. Anisan’ny mampiavaka azy ny fanodinana ny mangahazo ho lasa angovo fandrehitra ethanol. Nilaza ny mpitantana ity orinasa ity, Rakotondrasanjy Rivo, fa mitady mpamatsy mangahazo vaovao fa tsy hanitsaka ny vokatra efa misy mba tsy hanelingelina ny famatsiana mangahazo atao sakafo. Manodidina ny 2 tapitrisa t isan-taona ny mangahazo vokatra eto Madagasikara, sakafo faharoan’ny Malagasy aorian’ny vary.

    Mahatratra 1.000 l/andro ny ethanol vokarin’ity orinasa ity. Afaka mamatsy fianakaviana 2.000. Eto Antananarivo ny toeram-panodinana ary mihevitra ny hanokatra toerana faharoa any Tsiroanomandidy. Maka ny akora fototra any Bongolava rahateo izy ireo ary maminavina ny hitady mpamatsy na hamboly mangahazo koa any Anjozorobe, hiarahany miombon’antoka amin’ny fandaharanasa Prosperer.

    Mandany 6l isan-kerinandro

    Ahazoana alikaola ethanol 1 l ny mangahazo 2,5 kilao. Nilaza ny talen’ny Obio-Hamy, fa efa nanafatra fatana mandeha amin’ity angovo ity miisa 200. Hisy 3.000 hafa koa ho avy amin’ny volana oktobra ho avy izao. Araka ny fanadihadian’izy ireo, mandany ethanol 6 l isan-kerinandro ny tokantrano ahitana olona efatra na dimy. Manodidina ny 3.000 Ar ny vidin’ny iray litatra.

    Fantatra fa vitsy ny orinasa misehatra amin’ity famokarana angovo ethanol avy amin’ny mangahazo. Misy orinasa hafa manodina ny fary, saingy tsy fantatra ny tohiny ary tsy mbola hita eny an-tsena rahateo ny vokatra.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.