Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Boriborintany V : faradoboka ny didimpoitra faobe

    Vita ny faran’ny herinandro teo teny Ambatomainty, boriborintany V ny famaranana ny hetsika didimpoitra faobe  ho an’ity boriborintany ity.
    Ankizy 31 no vita hasoavana maimaimpoana ka notolorana akanjo malabary sy kilalao ary  sakafo (paty).
    Herinandro telo ny nanaovana ny teny Ambatomainty. Nahatratra 151 ireo ankizy voafora nandritra izany.
    « Tratra ny tanjona », hoy ny delegen’ny boriborintany, Rakoto Emmanuel Honoré Richard, nisolo tena ny ben’ny Tanàna. Nambaran’ny delege fa haompana amin’ny fanamafisana ny asa fanadiovana sy ny ezaka ho an’ny fandriampahalemana maharitra ny hetsika eny an-toerana manomboka amin’ny herinandro.

    Tatiana A.

    Les commentaires sont fermées.