Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hitsy toraka : miandry izy ireo!

    Tapitra hatreo iny ny andiany faha-10 tamin’ny « Lalaon’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina » (CJSOI). Nisongadina ary tsy nampitsaga-menatra ny firenena ireo ankizy niatrika izany. Nitana ny laharana voalohany ny Malagasy, nanoloana ireo firenena 6 nifanandrina taminy.

    Tratra ny fanamby ho azy ireo, saingy tsy mbola tanjona izany, satria tsy ny ho voalohany aty amin’ny ranomasimbe Indianina no laharam-pahamehana fa ny ho mpanjakan’i Afrika. Na izany na tsy izany, efa zava-dehibe ny vita ary dingana goavana iny. Mitodika any amin’ireo mpanohana, indrindra ny fitondram-panjakana, amin’izay ny mason’ny rehetra. Inona ny hatolotra ireto maherifo kely ireto. Ilain’izy ireo aloha ny vola, saingy tokony hojerena manomboka eto izay mety ho fiafarany fa tsy amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ihany. Ny hoaviny mihitsy izao ny tena andrandrainy mba tsy ho antitra ratsy fiafara izy ireo ka anarana sisa ventsovetsoina.

    Manantena ireto kilonga ireto fa tsy handalo fotsiny izao hafaliany nahazo medaly volamena izao fa haharitra mandrakizay ka na tsy mifaninana intsony aza izy ireo, mbola hanan-koraisina foana.

     Tompondaka

     

     

    Les commentaires sont fermées.