Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toamasina : nampivory tampoka ny Emmo/ Far ny Seg

    Akory ny hagagan’ny lehiben’ ny fitandroana ny filaminana telo tonta: tafika, zandary ary ny polisy nasionaly any Toamasina, ny marain’ny asabotsy teo, fa voaantso tampoka hihaona amin’ny sekreteram-panjkana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg) fa hisy baiko sy tolo-kevitra ifampizarana maika. Ho an’ ireo bebokotra rehetra nanontaniana nialoha ny hisian’ny fihaonana, samy nametram-panontaniana avokoa fa misy inona any ho any, tampoka ity antso ity. Fihaonana izay natao ny asabotsy maraina tamin’ny 10 ora sy 30 minitra teny amin’ny foiben-toeran’ny CIRGN Toamasina ary naharitra adim-pamantaranandro iray sy 20 minitra.

    Nitafa tamin’ny mpanao gazety taorian’ izay ny jeneraly, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, fa fomba iray entina hifanakalozan-kevitra sy hametrahana lamina hanatsarana ny filaminambahoaka io fivoriana io. Ity farany izay milaza fa hamafisina ny fanaraha-maso amin’ ireny faritra be mpitsangantsangana ireny, toy ny ao Foulpointe, Mahabo, Ste Marie, ka azon’ny polisin’ny Fip atao ny manampy ny zandary efa misy any an-toerana. Tahaka izany ihany koa ny lalam-pirenena fahadimy.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.