Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    An-kitsim-po : ilàna antontanisa mazava ….

    Lazaina hatrany ny tokony hampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana sy ny ny mponina any ambanivohitra, mivelona amin’ireo sehatra ireo. Efa fantatra hatry ny ela izany, saingy azo lazaina fa efa maherin’ny 10 taona izao, tsy ahitana antontanisa mazava ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana sy ny tantsaha. Tombantombana efa nahazatra hatramin’izay no mbola heno hatramin’izao. Firy isan-jato marina ny tantsaha ? Mbola maro ihany ve izao ny omby noho ny vahoaka malagasy ?

    Iandrasana antontanisa mazava izao ny momba ny tantsaha malagasy. Firy marina izy ireo ; fari-pahaizany ; vokatra vitany ; lalana sy ny mpitatitra any aminy ; angovo ampiasainy ; mpitandro filaminana any aminy ;  sekoly ; toeram-pitsaboana. Tsara hamoahana antontanisa mazava momba ireo rehetra ireo hahafantarana ny tena marina, hahazoana mamaritra politika mazava izay tokony hifandraisan’ny minisitera maro.

    Fantatra izao ny fisokafan’ny famatsim-bola avy amin’ny FMI sy ireo mpamatsy vola hafa, saingy tsy mazava, ampahafirin’ireny famatsiam-bola ireny ny tena atokana ho an’ny tombontsoan’ireo lazaina fa maro anisa ireo, izay fototra iray iankinan’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.

    M.C

    Les commentaires sont fermées.