Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    EPP Ambohipamonjy : notokanana ny efitranon-tsekoly vaovao

    Nahazo efitranon-tsekoly vaovao telo ny EPP Ambohipamonjy hiatrehana ny taom-pianarana 2016-2017. Nanome vola mitentina 41 tapitrisa Ar mahery ny ONG Madagascar Development Fund nanamboarana ny fotodrafitrasa.

    Efa niorina hatramin’ny taona 1975 ny sekoly ary efa tena tranainy ny efitranon-tsekoly efatra nianaran’ireo mpianatra ao. Noravain’ny rivodoza izany tamin’ny taona 1986. Namboarin’ny mponina eo an-tanàna kosa anefa ny sekoly tamin’izany. Nopotehin’ny rivodoza indray izany ny taona 1996. Voatery nandeha lavitra ny ankizy vao nahita sekoly nanomboka teo. Nisy koa ireo ray aman-dreny nampitsahatra tanteraka ny fianaran-janany ka lasa namboly.

    Namboarin’ny fanjakana malagasy ny sekoly tamin’ny taon-dasa ka efitrano roa no natsangana. Anjatony ireo ankizy mianatra ao ankehitriny. Afaka mandray mpianatra zato hafa, araka izany ny sekoly amin’ity taom-pianarana vaovao ity noho ny fahavitan’ireo efitranon-tsekoly vaovao.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.