Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Andoharanofotsy : nandrasan’ireo jiolahy teo am-bavahadiny ilay mpandraharaha

    Mpandraharaha iray niharan’ny fanafihan-jiolahy tao anaty fiara R. 21 teny Belambanana Andoharanofotsy, afakomaly. Araka ny loharanom-baovao voaray, teo am-bavahady hiditra ny tranony izy no notafihin’ireo jiolahy miisa telo nitondra basy PA iray. Voalaza fa efa nandrasan’ireo jiolahy ny fahatongavany ka mora ho azy ireo ny nanatanteraka ny fanafihana. Nanao tifi-danitra ry zalahy mialoha ny fanafihana. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina 8 tapitrisa Ar, seky ary ny taratasy fahazoan-dalàna mamily fiara an’ilay mpandraharaha. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy raha vantany vao nahazo izay notadiavin’izy ireo. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy. Vodim-bala iray sy bala tsy mbola nipoaka no hita teny an-toerana. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary.

    Lasan’ny jiolahy koa ny vola 20 tapitrisa Ar an’ny mpandeha tao anaty taksiborosy niharan’ny fanafihana tao anelanelan’i Vohidiala sy Ankazotsaravolo, ny alahady teo. Nobahanan’izy ireo vatobe ny lalana ka tsy afa-nandeha avy hatrany ny fiara. Ny polisy ao Ambatondrazaka no misahana ny famotorana.

    J.C

     

    Les commentaires sont fermées.